Australie : Saka mirenireny an-tapitrisany no hovonoina
Nanao fanambarana ny tompon’andraiki-panjakana tao Australie andrefana fa hisy ny hetsika famonoana ireo saka mirenireny ao an-toerana. « Robots tueurs » 15 no hahetsika amin’izany raha ny fanazavan’izy ireo ary heverina fa handringana saka mirenireny eo amin’ny 6 tapitrisa eo ao anatin’ny 5 taona. Mitentina 7,6 tapitrisa dollars kosa ny fanatanterahana io tetik’asa io raha ny fanamafisana.
Mety mahery setra, saingy tsy maintsy atao, io hetsika io, isan’ny manimba ny biby (faune sauvage) ao an-toerana mantsy ireo saka mirenireny ireo hoy ny tompon’andraikitra. Mamono biby eo amin’ny 9 tapitrisa eo manerana ny firenena ao anaty ny 24 ora izy ireo raha ny fanamafisana. Ny 3 tapitrisa amin’ireo dia biby mampinono ; biby mangatsi-drà kosa ny 1,7 tapitrisa ; vorona ny 1 tapitrisa ; « invertébrés » ny 2,8 tapitrisa ary « amphibiens » ny 337 000.
I John Read kosa no namolavola ny « Robots tueurs » handripaka ireo saka ireo. Efa manana fahaizana manokana manavaka ny saka amin’ny biby hafa izy ireo ary rehefa mahita izany dia mandefa « gel toxique » 8 miligrama atao hoe « luoroacétate de sodium » na « poison 1080 » izay ho lelafin’ilay saka ary hiteraka ny fahafatesany.
