Tsidika

Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa : manatanteraka hofana ho an’ireo mpisehatra ao aminy

Atrikasa fiofanana no  notanterahan’ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa , niarahany niasa taamin’ny UNESCO no notanterahina ny 20 sy 21 Jolay laasa teo ary hitohy ny 24 sy 25 Jolay ho avy izao.

“ Izao fiofanana izao dia natao indrindra hampiroboroboana ny kalitaon’ny fenitry ny ampianarana amin’ny sekolim-panjakana sy  ny tsy miakina.” Hoy ny avy amin’ny Ministera mikaraiara. Mpiantsehatra maro avy tamin’ireo sampan-draharaha misahana ny fampianarana avy amin’ity Ministera ity no tonga nanotrona ny atrikasa. Anisany  tonga maro nandritra izany ny  avy amin’ny Ofisy Nasionalin’ny Sekoly tsy miankina (ONEP),ny sampana misahana ny kalitaom-panabeazana avy amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenenana.

“ Ilaina ny fampiofanana toy izao hahafahana mijery sy manatsara ny kalitaon’ny fampianarana eto amin-tsika. Eo ihany koa ny maha zava-dehibe ny fotoana toy izao ahafahana mapitovy lenta ny fampianrana omena ny ankizy any amin’ny sekoly  miankina sy ny tsy miankina amin’ny fanjakana.” Hoy ny avy amin’ny Ministeran’ny fanabezam-pirenena

Zava-dehibe miantoka ny fandrosoan’ny firenena iray ny fampianarana ka rariny indrindra raha hanaovana ny hezaka rehetra hanatsarana azy. Na izany aza anefa dia tsy azo hodian-tsy hita ny fisian’ny elanelana  eo amin’ny kalitao amin’ny fampianarana eto Madagasikara,. Misy izany eo amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana sy  ny tsy miankina , ary eo koa ny avy amin’ireo sekoly Ambanivohitra sy Andrenivohitra .

Miranto Andrih

Laisser un commentaire