Maurice : Hotontosaina ao amin’ny nosy ny fivoriana faha-66 an’ny vaomiera ho an’i Afrika an’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fizahantany
Hotontosaina ao amin’ny nosy Maurice ny 26 hatramin’ny 28 jolay izao ao amin’ny hotely Le Méridien ao Pointe-aux-Piments ny fivoriana faha-66 ny vaomieran’i Afrika ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fizahantany. Minisitry ny fizahantany afrikanina manodidina ny telopolo no hanatrika ny fanokafana izany raha ny fanazavan’ny praiminisitra Pravind Jugnauth.
Io vaomiera ho an’i Afrika io no sehatra ara-panjakana fototra ahafahan’ireo minisiteran’ny fizahantany miresaka ny fironana farany eo amin’izany tontolo izany manerana ny kaontinanta sy eran’izao tontolo izao ary midinika ihany koa fametrahana ny drafitry ny asany. Ireo mpandray anjara amin’ny fihaonambe dia afaka manatrika ny famelabelarana momba ny lohahevitra hoe: « Rethinking Tourism for Africa: Promoting Investment and Partnerships; Addressing Global Challenges » ihany koa.
Fantatra kosa fa hanatrika io fivoriana faha-66 io ny sekretera jeneralin’ny OMT, Zurab Pololikashvili ; ny sekretera jeneralin’ny Commonwealth, Patricia Scotland ; ny filohan’ny filankevitra mpanatanteraky ny OMT, Ahmed Al-Khateeb sy ny filoha lefitra ; ny filohan’ny vaomiera ho an’i Afrika ny OMT, Siandou Fofana ; ny Vvaomieran’ny vondrona afrikanina misahana ny fizahantany Albert Muchanga sy ny sekretera jeneralin’ny tsena iombonana ho an’i afrika atsinanana sy atsimo, Chileshe Mpundu Kapwepwe.
