BTC Ambohimangakely: Hisy ny fiaraha-mientana amin’ny fanadiovana hiarahana amin’ny kaominina
Hisy ny fiaraha-mientana amin’ny fanadiovana ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ny BTC no mikarakara ny hetsika ary amin’ny fomba miavaka tsy tahaka ny fanao mahazatra no hitondrana izany ny 30 jolay izao, araka ny voalaza.
“Natao indrindra ho an’ny mponina Ambohimanagakely sy ny manodidina ny hetsika fanadiovana faobe ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Mandritra izany, hisy ny fanaovana horonantsary ary ny olona rehetra faka mandray anjara avokoa” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny BTC.
“Hetsika miavaka ary tsy mbola fahita firy ho fanentanana amin’ny fanadiovana no hiseho amin’ity indray mitoraka ity. Izany indrindra no hanentanana ny rehetra satria adidin’ny tsirairay ary andraikitra ny mitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana” hoy hatrany ny fanazavana.
Zava-dehibe ny fiaraha-mientana ho an’ny fanadiovana sy ny fahadiovana. Manana andraikitra amin’ny fanatanterahana izany ihany koa ny olom-pirenena tsirairay avy. Ho an’ity hetsika ity moa dia ny fikambanana La rue nous concerne sy ny kaominina Ambohimangakely no miara-misalahy amin’ny fikarakarana ny hetsika.
Manitra R.
