ActualitésTatitra

République Démocratique du Congo : Hampiantrano ny lalaon’ny frankofonia

Hanomboka ny 28 jolay ary tsy hifarana raha tsy ny 6 aogositra izao ny lalaon’ny frankofonia amin’ity taona ity. I Kinshasa, renivohitr’i République Démocratique du Congo no hampiantrano izany ary delegasiona 90 eo no hivondrona hanatontosa hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina mandritra izany. Tsiahivina fa ny lalaon’ny frankofonia dia tsy voafetra eo amin’ny hetsika ara-panatanjahantena ihany, misy ihany koa ny fifaninana ara-kolontsaina toy ny hita, dihy,tantara, famokarana nomerika, literatiora, hosodoko sns mandritra izany.

Hiatrika io lalao io avokoa ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina, isan’ireo efa nanamafy ny fahatongavany amin’izany i Madagasikara, Maurice, Seychelles ary Comores. Ho an’i Madagasikara manokana dia ny 19 jolay teo vao notapahana nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny fandraisana anjara amin’ny lalao. Delegasiona misy olona 78 misy mpiandraikitra 14, atleta 34, mpanakanto 22 no hisolo tena ny firenena amin’izany.

Laisser un commentaire