Ambohimangakely : Notokanana niaraka tamin’ny fankalazana ny faha 5 taona nijroany ny bloc sanitaire an’ny fiangonana iray
Nankalazaina niaraka tamin’ny faha 5 taona ny fiangonana Adventista Ankosirano ny fitokanana ny Bloc sanitaire vaovao ho an’ireo mpiangona ao an-toerana, ny sabotsy lasa teo. Tonga nanatrika izany fankalazana izany sy nitokana ny foto-drafitr’asa ny ben’ny tanàna ao an-toerana, araka ny voalaza.
« Anisan’ny mandray anjara goavana amin’ny fampandrosoana sy fanampiana ny mpiara-belona ny sehatra tahaka izao ka mendrika ny fanohanana sy fanampiana mba hivelaran’izy ireo hahafahan’izy ireo manatanteraka ny adidiny » hoy i Dina, mpirotsaka an-tsitra-po.
« Maro ireo olona no efa nahita tombotsoa amin’ny fijoroan’ny sehatra tahaka izao. Ny sehatry ny fitsaboana dia tsy afa-misaraka amin’ny fiainana andavan’andron’ny rehetra ka tsara raha tohanana hatrany ireo efa mijoro » hoy i Bodo, mponina ao Ambohimangakely.
Efa maro ireo sehatra manokana toeram-pitsaboana tahaka izao ho fanampiana ny mpiara-belona, eny anivon’ny kaominina tsirairay eny. Anisan’ny manampy ary mitondra tombontsoa tokoa ny fananana azy ireny ka tokony tohanana sy omena toerana.
Manitra Ramanantsoa
