ActualitésTatitra

France : Arlette Laguiller, vehivavy voalohany nilatsaka hofidiana filoham-pirenena frantsay

Teraka ny 18 martsa 1940 tao Paris i Arlette Laguiller. Vehivavy mpanao politika frantsay ao amin’ny « extrême gauche » izy. Mpikatroka mafana fo ny « trotskiste » nanatevin-draharana ny LO (Lutte ouvrière) izay hisahaniny ny andraikitrin’ny mpitondra teny.

Vehivavy voalohany nirotsaka hofidiana filoham-pirenena frantsay i Arlette Laguiller tamin’ny taona 1974. In’enina nifanesy nilatsaka kandida izy ny 1974 hatramin’ny 2007 ary nahazo vato teo anelanelan’ny 1,3 sy 5,7 %. I Arlette Laguiller no kandida nilatsaka ho filoham-pirenena im-betsaka indrindra tao France hatreto.

Laisser un commentaire