ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Manaraka ny fenitra ny kianja sentetika Kitrana Antsofinondry

Manaraka ny fenitra, ary azon’ny mpilalao baolina hanaovana fanazaran-tena tsara ny kianja sentetika Kitrana eny Antsofonondry, kaominina Sabotsy Namehana. Malalaka ny toerana, ary mamaly ny filàn’ireo mpilalao izay te hampiasa azy. Ho fikarakarana  ny toerana sy ho fikajiana azy, misy ny hofan-toerana izay tsy maintsy alohan’ny mpampiasa ny kianja, araka ny voalaza.

“Misokatra ho an’ireo mpitia fanatanjahan-tena rehetra, indrindra ny mpankafy baolina kitra ny kianja sentetika eto Antsofonondry. Misy kosa ny fitsipika sy ny fepetra izay tsy maintsy apetraka ary ampiharina amin’ny fampiasana azy mba ho fikajiana ny fananana tahaka izao” hoy ny tomponandraikitra.

“Anisan’ny manome lanja ny taranja baolina kitra ny fisian’ny kianja tahaka izao. Tokony hisy ohatran’izay avokoa ny kaominina rehetra hahafahan’ny rehetra mianoka ny fanatanjahantena ary tokony hirary ny sarany fa kosa apetraka ny fepetra ho fitandroana ny toerana” hoy I Toky, mpilalao baolina kitra.

 Mampiombona tanora avy amin’ny karazam-paritra maro ny fanatanjahan-tena. Tsy tokony hatao ambanin-javatra araka izany ny fametrahana foto-drafitr’asa ho an’ny fanatanjahan-tena, indrindra ireo natao ho an’ny daholo be mba hahafahan’ny rehetra mampiasa izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire