Qatar : Maro ireo toerana tsy azo hakàna sary mandritra ny fiadiana ny Mondial ao an-toerana
Nanao fanambarana ny tompon’andraikitra tao Qatar fa misy ireo toerana tsy azon’ireo mpanao gazety alaina sary mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ny baolina kitra 2022 ao an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny tranom-panjakana rehetra, ny anjerimanontolo, ny toeram-pivavahana ary ny hopitaly.
Ankoatran’ireo toerana ireo dia tsy azon’ireo mpanao gazety hitatitra ny hetsika ihany koa ny maka sary ireo orinasa tsy miankina, faritra indostrialy ary ireo trano fonenana. Tsy misy noho izany ny fanadihadiana na fifampiresahana ataon’ireo mpanao gazety amin’ny mponina ao an-toerana fa indrindra amin’ireo mpifindra monina nanamboatra ny kianja handraisana ny lalao izay lohahevitra manitikitika olona maro.
Marihana fa voarakitra ao anaty fifanarahana fahazoan-dalàna hitatitra ny hetsika ireo fepetra ireo.
