ActualitésTsidika

Toamasina: Olona roa maty, 17 naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana

Olona 2 no maty ary 17 naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Toamasina ny harivan’ny alahady teo. Tao amin’ny lalana hiditra an’Antsirakambo Gallois Toamasina no nisehoan’ny loza, araka ny voalaza. Ny kaominina ao Toamasina no nandray ny fikarakarana azy ireo.

“Fiara iray mpitatitr’olona no tra-doza, izay mbola tsy nahazoam-panazavana ny antony nahatonga ny loza. Olona roa no maty tsy tra-drano, ary miisa 17 ireo naratra mafy, izay miatrika fitsaboana. Nanao sarotra ny fitsaboana azy ireo, raha ny fanazavan’ny mpitsabo” hoy ny avy amin’ny kaominin’I Toamasina.

“Tokony hitandrina hatrany ny mpitatitra sy ny mpamily eny an-dalana. Azo sorohana amin’ny fitandremana sy ny fahamailoana ny loza tahaka izao ary tsy tokony hatao antsirambina ny fitiliana ny fiara” hoy I Tojohery, mpilatsaka an-tsitrapo momba ny vonjy voina.

Anisan’ny miteraka fahavoazana lehibe ny vokatry ny tsy fitandremana, ny fahasimban’ny fananana, ny mpandeha maratra ary fahamoizana ain’olona. Tokony ho mailo mandrakariva ny mpitatitra ho fisorohana ny zava-doza tahaka izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire