ActualitésTatitra

France : Mandoa lamandy 20 tapitrisa Euro ny fanjakana nohon’ny fahalotoan’ny rivotra

Nohon’ny tsy fandraisana andraikitra haingan’ny fanjakana manoloana ny fahalotoan’ny rivotra dia nosazian’ny filankevi-panjakana handoa 20 tapitrisa Euro izy ireo. Raha tsiahivina dia efa voasazy noho izany antony izany ihany izy ireo ny taona 2021.

Olana iray lehibe ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fahalotoan’ny rivotra hoy ireo tompon’andraikitra. Mahatratra 40 000 isan-taona mantsy trangam-pahafatesana nohon’ny «particules fines » an-toerana raha ny tatitrin’ny Santé Publique France. Heverina fa tsy mbola ampy ny  ezaka ataon’ny fanjakana hoy izy ireo.

Arotsaka amin’ireo fikambanana miady amin’ny fandotoan-drivotra kosa io lamandy io ary 50 000 Euro dia omena ny Association les Amis de la Terre.

Laisser un commentaire