Fiadidiana ny Repoblika: Noesirina tamin’ny asany ny Ministry ny Raharaham-bahiny
Dépêche 19 ocotbre, 15h, Noesorina tamin’ny toerana maha Minisitra azy ny Minisitry ny raharaham-bahiny, Richard RANDRIAMANDRANTO. Ny ministry ny Fiarovam-pirenena no hisolo toerana azy sy handray ny andraikiny mandrapaha-tonga izay voatendry ho amin’izany toerana izany. Raha araka ny vaovao voaray dia noho ny fandraisan’ity Ministra ity fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny an’ny fitondram-panjakana mahakasika ny fifanolanana misy eo amin’ny Ukraine sy Russie no antony nahatonga izao fanesoraan azy amin’ny asany izao.
