Torohevitra: Ireo voka-tsoa amin’ny fampiasana vahona
Anisan’ny vokatra natoraly mitondra voka-tsoa lehibe eo amin’ny fahasalamana sy eo amin’ny fikarakarana vatana ny vahona. Ny vahona izay fantatra fa manankarena vitamin E, izay tena ilain’ny vatana. Ankoatra izay, manankarena mineraly ihany koa izy io toa ny calcium, ny potassium, ny magnesium, ny zinc ary ny vitamin A, B1, B2,B3,B6,B9,B12,C izay tsara ihany ny mahalala azy.
Raha hikarakarana vatana ny vahona, dia anisan’ny ahitam-boka-tsoa tokoa manomboka any amin’ny volo ka hatrany amin’ny vakivaky amin’ny tongotra. Ny fampiasana ny vahona amin’ny volo dia anisan’ny manome hery ho an’ny volo, mampangirana, mampalandina ny volo ary manala angadrano no manalava azy haingana.
Raha hikarakarana tarehy amam-bika kosa, anisan’ny manala mony ny vahona ary manala ireo loto sy tasy amin’ny hodi-tava. Ankoatra izay, manala ireny tsatsakotra amin’ny vatana ihany koa ny fanosorana vahona amin’ny vatana no mampalandina azy.
Farany, anisan’ny miady amin’ny aretim-bavony ny vahona. Ny fihinana vahona iray sotro isa-maraina dia anisan’ny manala ny aretim-bavony no manatsara ny fiasany.
Tsara ho marihina, fa mila fikarakarana manokana ny fampiasana ny vahona mba tsy hampangidy loatra azy. Esorina ilay hodiny maitso sy ireo tsilo, ka ilay nofony misy ditiny ihany no ilaina, potserina dia afaka ampiasaina.
Manitra Ramanantsoa
