ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Mampikaika ny mponina ny tsy fandriam-pahalemana

Miseho amin’ny endriny maro amin’izao fotoana izao ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova. Nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Ambohidahy, ny alin’ny 30 desambra lasa teo.

« Renin-kisoa lehibe no lasan’ny mpangalatra ka teto amin’ity rindrina ity no namoahan’izy ireo azy. Tena hanaovana antso avo amin’ireo tompondraikitra fa tena efa mijaly loatra ny mponina noho ny tsy fandriam-pahalemana » hoy i Nivo, mponina ao Ambohimanga Rova.

« Efa tena tsy milamina intsony ety Ambohimanga Rova, saika nisesy mihitsy tato ho ato ny trangana vaky trano sy ny halatra isan-karazany ary mandoaka rindrina tahaka izao avokoa ny fanaovan’ireo mpanao asa ratsy azy. mijaly ny mpiompy, miditra faty antoka » hoy i Rindra, mpiompy.

Manao antso avo sy manaitra ireo mpitandro filaminana ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, araka izany, ireo mponina mba hijery ny zava-misy eny an-toerana. Mandry tsy lavo loha ary mitaintaina ireo mponina manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ao an-toerana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire