Ady amin’ny Covid-19 : Nitombo ireo fitaovana entina miady amin’ny aretina
Miankina tanteraka amin’ny fahampian’ny fitaovana manoloana ny aretina no ny fivoaran’ny fahasalaman’ny marary iray. Manana ny anjara toerana lehibe entina hitsaboana ny marary ny fitaovana. “Tsy tokony hisy intsony ny mpiray tanindrazana mamoy ny ainy vokatry ny tsy fahampian’ny fitaovana”, hoy ny filoha Andry Rajoelina raha nandray ireto fitaovana vaovao miantoka ny ain’ny marary ireto. “Concentrateurs d’oxygène” (milina fanangonana oxygène) maherin’ny roa arivo no nafaran’ny fitondram-panjakana nandritra izany. Mampitaraina ny olona tokoa mantsy ny tsy fahampian’ireo fitaovana ireo eny anivon’ny hopitaly sy toerana mandray marary isan-karazany. Misy amin’ireo marary no mandany vola be mihitsy mba ho fanavotana aina. Nafaran’ny fitondrana avy any amin’ny firenena sinoa ireto fitaovana ireto. Nalefa avy hatrany any amin’ireo faritra tena ahitana ny aretina moa ireto fitaovana ireto. Voalohany amin’izany ny faritra Analamanga, Vakinakaratra, Matsiatra Ambony ary SAVA. Ankoatra ireo, nilaza ny filoham-pirenena fa hisy tavoangy misy “Oxygène” ihany koa horaisina atoato. Hantenain’ireo marary anaty fahasarotana rehetra moa ny fisitrahana izao fitaovana izao satria sarobidy ny aina. Zavae-dehibe tokoa ny fanaovana laharam-pamehana ny aim-bahoaka amin’izao fotoana izao. Faniriana ny tsy hisian’ny fitarainana etsy sy eroa intsony mahakasika ny tsy fahampian’ny fitaovana. Nanomboka nahazo laka mantsy izany tato anatin’ny fotoana vitsy rehefa niakatra ny isan’ireo marary. Etsy ankilany, tafiditra ao anati’ny fandaharanasa “Initiative Covax” i Madagasikara ankehitriny. Ho avy tsy ho ela amin’io fiandohan’ny volana mey araka izany ny anjara vaksiny, araka ny nampahafantarina nandritran’ny filankevitry ny minisitra. Marihina fa ny fanjakana ihany no hany afaka manafatra izany. Lohalaharana amin’izao andiany voalohany izao kosa ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo efa nahazo taona sy ny tafika. Mbola tsy azo hatao araka izany ny fivarotana ho an’ireo mpandraharaha tsy miankina. Tsy maintsy manaraka ny rindran-damina iarahana amin’ny fanjakana sy ireo siantifika Malagasy ireo maniry izany. Manantena ny filaminana eo amin’ny fanatanterahana ireo lamina napetriky ny fanjakana araka izany ny vahoaka Malagasy.
