ActualitésTatitra

Corée du Sud : Hiatrika ny « service militaire » ny tarika BTS

Adidy tsy maintsy ataon’ny lehilahy tomombana rehetra latsakin’ny 30 taona ao Corée du Sud ny « service militaire ». Tsy maintsy manatontosa izany mandritra ny 2 taona eo avokoa ny lehilahy rehetra ao an-toerana ary ny fandàvana ny fanatanterahana izany dia mampidoboka am-ponja. Natao moa izany hetsika izany manoloana ny fifandiran’ny Corée du Sud amin’ny Nord.

Tsy misy fanavahana io adidy tsy maintsy atao ao Corée du Sud io. Olo-malaza maro ao an-toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no efa nanatanteraka ny adidiny ary tsy afa-bela amin’izany ny BTS. Nanambara ny « agent » an’ireto farany fa hiatrika ny « service militaire »  ny mpikamban’ny tarika ary hiato. Ho an’i Jin izay efa 29 taona dia ny volana desambra izao no fe-potoana farany ahafahany manatanteraka « service militaire », hahiditra am-ponja ny tenany raha tsy manatontosa izany.

Laisser un commentaire