ActualitésSocialTsidika

Manandriana : Tovolahy miisa 4 tratra namaky trano amin’ny andro atoandro

Tovolahy miisa efatra no saron’ny zandary avy amin’ny brigady Sabotsy Namehana, rehefa avy nanao ny asa ratsy tao amin’ny tokatrano iray, tao amin’ny fokontany Ambatobe Ambatolampy, kaominina Mandriana. Ny fihetsik’izy ireo mailomalo no nampiahiahy avy hatrany ireo mpitandro filaminana, ka nisamborana azy ireo, araka ny voalaza.

“Ny alakamisy 14 septambra teo no nifanehitra tamin’ny zandary andeha hanao fisafoana izy efa-dahy ireto, teo amin’ny toerana antsoina hoe Antsapandrano. Hita tamin’ny fihetsika fa mailo avy hatrany izy ireo ary nikasa handositra vao nahita ny zandary. Nitondra gony feno entana izy ireo ary rehefa nosavaina dia nahitana entana maromaro fampiasa ao an-trano” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Rehefa nanotaniana ny zandriny indrindra tamin’izy ireo dia nibaradaka avy hatrany fa avy namaky trano izy ireo ary entana halatra azo avy amin’izany ilay nentiny. Tsy ela taorian’ny nisamborana azy ireo dia tonga tao amin’ny biraon’ny zandary ny vehivavy iray niharan’ny vaky trano ka rehefa nohamarinina dia fantatra fa azy avokoa ireo entana rehetra” hoy hatrany ny fanazavana.

Mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Etsy ankilany, manao ezaka hatrany ny mpitandro filaminana amin’ny fiaraovana ny vahoaka ary manakaiky azy ireo amin’ny alalan’ny tanamaro sy ny fisafoana eny ifotony. Ilaina ihany koa anefa ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ao anatin’izany. Voatazona am-ponja vonjimaika moa ireto farany ary miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Manitra R.

Laisser un commentaire