ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Lehilahy iray nisandoka ho zanadry saron’ny mpitandro filaminana

Lehilahy iray, nisandoka ho zandary, niaraka tamin’ny fanamiana tsy tena izy no saron’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Brigade Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Antso sy fampitam-baovao avy amin’ny olon-tsotra npo nahafahana nisambotra azy, araka ny voalaza.

“Ny 12 septambra hariva, teo amin’ny faritra Tsitiamainty, fokontany tsarahasina, kaominina Ambohimangakely no tratra ity lehilahy iray, lava volo no manao fanamiana zandary tsy mifanaraka amin’ny firenena misy azy ity. Tao anatin’ny fanadihadiana azy dia mbola nitonona ho zandary ihany koa izy ary nentiny nanaovana asa ratsy izany” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Mampalahelo ny ho avin’ny tanora eto amintsika. Simba ary manaotao foana ny ankamaroany. Mety ho vokatry ny fandraisana zava-mahadomelina avokoa izao, eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fandraisana an-tanana sy ny fanohanana azy ireny ka manaotao foana” hoy i Hanta, mponina ao Ambohimangakely.

Araka ny voalazan’ny zandarimaria ihany moa, survêtement gendarmerie Comores no nanaovan’ity lehilahy ity, niaraka tamin’ny pataloha maramara mitovy loko amin’ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fisamborana azy, dia tonga tao amin’ny biraon’ny zandary, nitory azy ireo olona lasibatry ny fanendahana.

Manitra R.

Laisser un commentaire