Lalana Amparibe : Tsy mbola nisy fanapenana ilay lavaka lehibe, ahiana hitera-doza
Tsy mbola nisy ny fanamboarana ny lalana, manoloana ny sekoly Providence ao Mahamasina. Misy lavaka lehibe ahiana mety hitera-doza ao an-toerana. Miantso fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra ireo ray aman-dreny mampiana-janaka ao an-toerana hisorohana ireo loza isan-karazany.
