Fomba natoraly hamerenana ny nify ho lasa fotsy
Mety ho lasa mavo ny nifintsika noho ny tsy fahampiany fikarakarana na koa noho ny tsy fahampian’ny singa ao anatin’ny vatan’olombelona. Antony hafa iray ihany koa, noho ny fifohana sigara dia lasa mivadika mavo ny nify. Ity misy fomba afaka atao mba hamerenana izany ho lasa fotsy indray.
Ireto avy ny akora ilaina amin’izany, ny tongolo gasy, ny karibonetra, ny dentifrice, ary ny voatabia.
Fomba fikarakarana azy
Kikisana amin’ny rapy majinika ny tongologasy hasiny fito; rehefa vita izay dia maka voatabia dia zaraina roa. Alaina ny silany ka potserina ny ranony iray sotrokely. Avy eo, maka karibonetra tapaky ny sotro fihinanana rehefa vita zay dia maka « dentifrice colgate » dia afangaro tsara ireo rehetra ireo dia iny fangaro iny no atao fiborosiana nify.
Tsara ho fantatra fa ny tongolo gasy dia akora iray manala sy mamono ny mikraoba, tahaka izany ihany koa ny karibonetra, izay ahitana singa izy mahafotsy nify ao anatiny, ny voatabia izay voankazo manan-karena vitaminin C izy tena ilain’ativava, ary ny dentifrice colgate dia manala ilay mavo amin’ny nify iny. Manala ny fofona ratsy ao amin’ny ati-vava ihany koa ity fangaro ity.
Sonia Randrianarijaona
