ActualitésSportTsidika

Ankadikely Ilafy: Tsara ny vokatra nandritra ireo lalao basekt-ball teo amin’ny distrika

Nisongadina ireo mpilalao voafantina, Crai Basket, avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, nandritra ,ny fifaninanana teo amin’ny taranja basket-ball, eto amin’ny distrika Avaradrano. Tsara avokoa ny voka-dalao ary tafakatra amin’ny dingana manaraka avokoa ny sokajy lahy sy vavy, araka ny voalaza.

“Tao aorian’ireo lalao fifanitsanana natrehan’ny ekipa voafantin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy lahy sy vavy dia samy tafakatra amin’ny dingan’ny manasa-dalana izy ireo. Teo amin’ny voka-dalao sokajy vehivavy, naharesy ny ekipan’ny kaominina Talata volonondry tamin’ny isa 46 no 39 ny ekipan’ny kaominina, nandritra ny lalao voalohany. Nandresy ny kaominina Alasora tamin’ny isa 33 no 29 kosa ny andro faharoa. Tahaka izany ihany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy satria nandresy ny kaominina Anjeva tamin’ny isa 69 no 57 ireo ekipa raha lavon’ny ekipan’Alasora kosa ny andro voalohany nilalaovana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Mafy ihany ny niatrehana ny lalao satria anisan’ny samy manana ny fomba filalaony sy ny teknika ary samy te handresy avokoa ny ekipa ao anatin’ny fifaninanana. Rehefa ao anefa ny esprit d’équipe sy ampy fiomanana dia mahita vokatra tsara hatrany” hoy ireo mpilalao.

Miditra amin’ny dingan’ny manasa-dalana moa ity fifaninana ity amin’ny faran’ny herinandro io. Ankoatra ny kaominina Ankadaikely Ilafy, anisan’ny nioty vokatra tsara ihany koa ny kaominina Alasora nandritra ity lalao ity, teo amin’ny sokajy lehilahy.

Manitra R.

Laisser un commentaire