France : Maniry ny hampidirana ny « Parkour » amin’ny lalao olympika ireo Yamakasi
Lasa fiantso mahazatra ireo mpanao « Parkour » ny teny hoe Yamakasi. Ny Parkour izay voasokajy ao anatin’ny fanantanjantena. Manoloana izany dia maniry ny hampidirana io taranja io amin’ny lalao olympika ireo Yamakasi.
Efa kely ny fahafahan’izy ireo handray anjara amin’ny « Jeux de Paris » amin’ny taona 2024 izao raha ny fantatra saingy manantena ny fandraisana anjara izy ireo amin’ny taona 2028. Mbola tsy vonona hiditra amin’izany sehatra izany rahateo ny Yamakasi amin’ny taona 2024 hoy i Lilou Ruel, vehivavy mpanao Parkour 19 taona monja avy ao France. Nanamafy izy fa mbola tsy ampy fanazaran-tena izy ireo ka hiandry ny taona 2028.
Ankoatra ny maha fanatanjahantena ny « art du déplacement/ parkour/ freerunning » dia voasokajy ho zavakanto ihany koa izy.
