France : Velaran-tany 930 hekitara no ravan’ny afo tao Pyrénées-Orientales
Nisehoana tranga fahamaizana tao Cerbère sy Banyuls sur Mer ao amin’ny departemantan’i Pyrénées-Orientales ny alahady teo. Niroborobo vokatry ny rivotra ny afo raha ny fanazavana ka nihitatra tamin’ny velaran-tany 930 hekitara ny afo ary nihoatra ny sisin-tany iraisan’i France sy Espagne mihitsy izany.
Olona manodidina ny 200 isa no nafindra monina vokatr’io loza io ary trano roa ny ravan’ny afo raha ny tatitra nentin’ny prefektiora. Mpamoafo iray tamin’ireo 500 nahetsika kosa no naratra am-perinasa. Marihana fa isan’ireo faritra voakasika indrindra amin’ny haitany i Pyrénées-Orientales. Manoloana ny tranga kosa dia tonga nijery ny zava-nisy tao an-toerana ny minisitry ny atitany, Gérald Darmanin, omaly alatsinainy.
