Ankadikely Ilafy: Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo te hivarotra mandritra ny fetim-pirenena
Mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ao amin’ny kaominina Ankadikely Imlafy, dia hisy ny podium sy ny fety sy fanentanana isan-karazany ny sabotsy 24 jona. manome vahana ny mponina ihany koa ny kaominina, ka misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo mariry hivarotra mandritra ny fety, araka ny voalaza.
“Antsoina ho tonga hisoratra anarana ety anivon’ny biraon’ny Kaominina ireo izay liana hivarotra tsakotsako sy zava-pisotro mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ny Sabotsy 24 Jona ho avy izao” » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Voafetra ny toerana ary misy fandraisana anjara, koa tsara ny manatona mialohan’ny Zoma 23 Jona hahafahanao mahazo ny andinindininy sy ny fandaminana rehetra” hoy hatrany ny fanazavana.
Hanomboka amin’ny 05 ora hariva moa ny podium, izay atao amin’ny kianja Fifankatiavana Ankadikely Ilafy ity. Fiaraha-mientana eo amin’ny kaominina sy ny faritra Analamanga moa no mampisy izany ary tsy misy vidim-pidirana.
Manitra R.
