ActualitésTsidika

Mahamasina : Misy ny fanaovana « échographie » amin’ny  sarany 500 Ar

Ho fitsinjovana ireo vehivavy mitondra vohoka sahirana mety tsy mahatakatra « échographie » dia mikarakara hetsika ahafahan’izy ireo manatanteraka izany amin’ny sarany 500 Ar monja ny Clinique tsy miankina iray. Manomboka androany izany hetsika izany ary tsy hifarana raha tsy ny 15 aprily izao. Ao amin’ny CSBII Mahamasina ny toerana ary manomboka 8 ora sasany maraina hatramin’ny 2 ora atoandro ny fandraisana ny olona.

Laisser un commentaire