Australie : Nibata fandresena i Charles Leclerc
Notontosaina omaly ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany amin’ny taranja Formule 1. Nivoaka ho mpandresy tamin’izany i Charles Leclerc (Ferrari). Faharoa manaraka azy i Sergio Perez (Red Bull, ary fahatelo i George Russell (Mercedes). Nitsoaka an-daharana kosa i Max Verstappen rehefa nitete ny fantson-tsolika teo amin’ny fiarany. Mampitombo hatrany ny tombony eo amin’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany i Chrles Leclerc (isa 71). Faharoa i George Russell (isa 37) ary fahatelo i Carlos Sainz (Ferrari, isa 33).
