France : Mitarika i Emmanuel Macron
Tontosa omaly alahady ny fiodinana voalohany tamin’ny fididiana tao France. Mitarika amin’izany i Emmanuel Macron izay nahazo ny 27,35% ny vato, manaraka azy i Marie Le Pen, izay nahazo ny 23,97% ny vato. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa i Jean-Luc Mélenchon (21,7%) ary fahaefatra i Eric Zemmour (7,02%).
I Emmanuel Macron sy i Marie Le Pen noho izany no hiatrika ny fihodinana faharoa ny 24 aprily izao.
