ActualitésTatitra

Unesco : Slam-O-Vision, fifaninana iraisam-pirenenan’ny « Slam poésie »

Fifaninana iraisam-pirenena karakarain’ny « Villes créatives de littérature » ny UNESCO ny Slam-O-Vision. Tamin’ny 29 jolay hatramin’ny 9 aogositra 2019 no tontosaina ny andiany voalohan’izany. Mpifaninana avy tao Royaume-Uni, États-Unis, Allemagne, Australie, Canada, Estonie ary Pays-Bas no nandray anjara tamin’izany.

Ny fifaninana « Eurovision » no nakana haingam-panahy tamin’ny Slam-O-Vision. Mila mandefa horonantsary fohy maneho ny sangan’asany ny poetan’ny « Villes créatives de littérature » izay hisolo tena ny tanànany amin’ny Slam-O-Vision Champion, atao mandritra ny fetiben’ny mpanoratra ao Melbourne ao Australie (Melbourne Writers Festival).

Ny fandrisihana sy ny fivelaran’ny fifandraisan’ireo poeta eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no sy ny « spoken word » tanjon’ny ny Slam-O-Vision ary ny fampiroboroboana ny sangan’asan’izy ireo.

Laisser un commentaire