ActualitésTsidika

Mahajanga : Naverina an-dranomasina ireo fano

Naverina an-dranomasina ireo fano tratran’ny zandary ny 17 desambra lasa teo tany Mahajanga. Notazomina vonjimaika tao amin’ny dobon’ny « Centre de Développement de l’Aquaculture Mahajanga » ireto fano ireto nandritry ny andro vitsivitsy.

« Fano miisa 13 no tratra nentin’ny sambo iray. Efa misy ny olona anaovana fanadihadihana amin’izao fotoana izao » hoy ny Zandary. « Biby arovana izy ireny ka enjehina araka ny lalàna izay mitrandraka izany » hoy i Felana, mpahay lalàna. « Ny iray tamin’izy ireo dia maty noho ny ratra nahazo azy ka nomena ny Mozean’ny Oniversiten’i Mahajanga rehefa nahazo ny fankatoavan’ny Tonian’ny Fampanoavana » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana.

Efa nogiazana niaraka tamin’izay ihany koa ilay sambo nitondra ireto fano ireto. Tsy azo ekena mihitsy ny fakana tsy ara-drariny ny harem-pirenena tahaka izao. Tompon’andraikitra ny rehetra amin’ny fiarovana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire