Italie : Sakafo ahafantarana ny tànanan’i Naples ny Pizza Margherita
Antsoina ihany koa hoe Pizza Napoletana ny Pizza Margherita. Sakafo anisan’ny malaza indrindra ao Italie izy. Voatabia, fromazy « mozzarella », « basilica », sira ary menaka oliva no akora fototra hanamboarana azy. Entina hanehoana ny lokon’ny sainam-pirenen’i Italie ireo loko ireo.Tamin’ny 11 jona 1889 kosa io pizza io no niforona voalohany. Ny mpanjaka vavin’i Savoie, Marguerite no nangataka ny hanandrana sakafon’i Naples, ka nanamboaran’ilay pizzaiolo, Raffaele Esposito pizza niloko ny sain’Italie izy. Ho fanomezam-boninahitra io mpanjaka vavy io kosa dia nataony hoe « Margherita » ny anaran’ilay Pizza.
