Alasora : Maro ireo lalana mila fanamboarana mialohan’ny fahavaratra
Maro ireo lalana ratsy sy mila fanamboarana eny amin’ireo fokontany ao amin’ny kaominina Alasora. Vonona hiara-hientana amin’ny fanamboarana izany ireo mponina eny an-toerana, saingy mila tolo-tanana avy amin’ny tomponandraikitry ny kaominina, araka ny voalaza.
“Nandritra ireo andro maromaro nisian’ny orana izay dia simba tanteraka ny ankamaroan’ireo lala-tany ety an-toerana. Mbola tsy miditra amin’ny fahavaratra akory dia efa mamotaka sy feno rano ny lalana ka tokony asiana fanamboarana satria hijaly ny mponina rehefa tena tonga ny fahavaratra” hoy i Sahondra, mponina ao Alasora.
“Ny tsy fisian’ny fikarakarana na ny entretien an’ny lalana no tena olana ho an’ny ety ambanivolo tahaka izao. Samy manao izay tiany ny olona kanefa raha miara-mientana amin’ny fikojana sy fanamboarana ny lalana dia vita tsara io ary tsy misy ny olana. Hiaraha-mientana amin’ny kaominina ihany koa ny fanaovana azy satria tombotsoa iombonana” hoy i Guy, mpitatitra.
Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana sy fanatsarana ny tanàna ny fanamboaran-dalana. Ankoatra izay, ilaina ny fiaraha-mientana ao anatin’izany satria ho an’ny tombotsoa iombonana sy fitsinjovana ny taranaka ao afara ihany koa.
Manitra R.
