ActualitésTatitra

Tunisie : Nankalazaina tao anatin’ny krizy ara-pahasalamana ny fetin’ny Aïd

Efa mahatratra hatramin’ny 17 644 amin’izao ny maty tany Tunisie hatramin’izay nisian’ny valan’aretina Covid-19 izay. Tsy ampy intsony ny fitaovana ao amin’ny hopitaly toy ny oxygène médical. Tsy nahitana olona mihitsy teny an-dalana ny marainan’ny talata 20 jolay teo izay andro nankalazaina ny fetin’ny Aïd, andro manna-danja tokoa ho an’ireo mpino silamo. Tsy afa-nanoatra nanoloana ny zava-misy anefa izany fety izany satria dia 150 ny maty voaisa tao anatin’ny iray andro tao amin’ity firenena izay manana mponina miisa 12 tapitrisa ity. « Tsy tadidinay intsony izany hiarahaba « Aïd Mabrouk » amin’ireo manodidina satria raha ny mahazatra dia aorian’ny fandehanana any amin’ny mosque no fifampiarabanay saingy tamin’ity kosa nikatona avokoa izany ka izao saika adino izao » hoy i Amor Ghedifi, 67 taona injeniera efa retirety any an-toerana.

Laisser un commentaire