ActualitésTatitra

Afghanistan : « Roquettes » roa nipoaka teo akaikin’ny lapan’ny filoham-pirenena

Nisehoana fipoahana roa mahery vaika ny talata 20 jolay tao Kaboul, Afghanistan tsy lavitry ny tranon’ny filoham-pirenena. Roquettes telo no hita tamin’izany fa ny roa ihany no nirefotra teo akaikin’ny vodin-trano. Tompon’andraikitra maromaro nefa no nivory niaraka tamin’ny filoha Ashraf Ghani tamin’io fotoana io noho ny fetin’ny Aïd el Adha, fetin’ny sorona Silamo.“Roquette maromaro no napoakan’ireo fahavalon’i Afghanistan tao Kaboul” hoy ny mpitondra tenin’ny ministeran’ny atitany Mirwais Stanikzai tamin’ny mpanao gazety. Toerana telo no notononiny tamin’izany izay tsy lavitry ny iray kilometatry ny lapan’ny filoham-pirenena. Ity farany izay misy migafy tahak’izao matetitetika, toy nytamin’n volana desambra farany teo. Tamin’ny 8 ora maraina ny fipohana no re araka ny mpanao gazetin’ny AFP ary tsy nisy ny aina nafoy. Ny État islamique no voarohirohy amin’ity fipoahana ity.

Laisser un commentaire