République Démocratique du Congo : Noesorina tao amin’ny lisitry ny vakoka maneran-tany ny valan-javaboahary lehibe indrindra
Manodidina ny 36 000 km2 ny valan-javaboaharim-pirenena any Salonga izay sokajiana ho ala lehibe indrindra aty Afrika. Noesorina tao amin’ny vakoka maneran-tany anefa ity valan-javaboahary any Salonga, République démocratique du Congo ny alatsinainy 19 jolay lasa teo. « Nanapaka izahay androany fa ho esorina ao aamin’ny vakoka maneran-tany ny valan-javaboahary any Salonga noho ny fanatsarana izay nentin’ny firenena misy azy » hoy ny avy ao amin’ny UNESCO. Efa nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny RDC fa hitrandraka petrole ao amin’ny valan-javaboahary Virunga any avaratra atsinanana sy any Salonga ny taona 2018.
