BWB Egypte : Nifarana omaly ny fiofana natrehan’i Lova sy Mathias tamin’ny taranja baskety
01 Septambra, 15h00, Nifarana omaly tany le Caire Ejipta ny BWB – « Basketball Without Borders » izay nanofanana ireo mpilalao mendrika 26 manerana an’i Afrika, izay nandraisan’i Lova sy Mathias, mpilalao ny taranja baskety Malagasy, anjara tamin’izany. Taorian’ny fiofanana tany an-toerana, voasafidin’ireo mpikarakara sy mpampiofana kintan’ny baskety ao amin’ny NBA ho « Mpilalao nisongadina nahitana fivoarana indrindra nandritra ny fiofana » izay nosalorana ny Mari-pankasitrahana Mendrika antsoina hoe « MIP – Most Improved Player Award » i Mathias M’MADI.
