ActualitésTatitra

France : Ankizilahy iray niharan’ny fanolanana nataon’ny mpiara mianatra taminy

Zazalahy kely 11 taona monja nianatra tao amin’ny sekoly iray tao Condrieu tao Rhône no niharan’ny fanolanana im-betsaka nataon’ny mpiara mianatra taminy teo anelanelan’ny desambra 2021 sy ny tapaky ny taona 2022.

Manoloana ny tranga dia nametra-pitoriana ny fianakavian’ny niharan’ny fanolanana. Raha ny fanazavan’ny mpisolovavan’izy ireo, Me Jean-Christophe Basson-Larbi dia hatramin’ny fidirany nianatra no niharan’ny « harcèlement » nataon’ny mpiara mianatra taminy io zazalahy io. Rehefa nitantara tamin’ny ray aman-dreniny nefa io zazalahy io dia vao maika nihenjana ny herisetra nataon’ireo ankizy hafa azy.

Manameloka ny tsy fandraisana andraikitry ny sekoly ihany koa mpisolovava io. Marihina fa efa nanomboka ny 8 desambra teo io zazalahy io no tsy nandeha tany an-tsekoly intsony. Ny fampanoavana ao Vienne kosa no mandray an-tanana ny fanadihadiana amin’io raharaha io.

Laisser un commentaire