ActualitésTatitra

Mayotte : Haverina ao amin’ny nosy ny GIR

Nilaza ny minisitry ny atitanin’i Mayotte sy ny Outre-mer, Gérald Darmanin nandritra ny fitsidihany tao amin’ny nosy fa hanangana GIR (groupe interministériel de recherches) ao amin’ny nosy. Entina hiadiana amin’ny herisetra sy ny fifindra-monina tsy ara-dalàna izany.

Raha ny marimarimarina kokoa dia famerenana no ho atao fa tsy famoronana noho GIR efa nisy tao amin’ny nosy hoy io tompon’andraikitra io. Raha tsiahivina nefa dia namela tantara ratsy ny GIR tao an-toerana taloha. Voarohirohy nikarakara fanondranana zava-mahadomelina izy ireo nanatevenana ny vola azo na ny « chiffres des saisies ». Taorian’izany dia nofoanana ny vondrona.

Mifototra amin’ny foto-kevitra marolafy na « pluridisciplinaire » kosa ny GIR. Ivondronana polisy, zandary, « inspecteur » ny hetra na ny fadintseranana io vondrono io ary miady amin’ny herisetra ankapobeny.

Laisser un commentaire