Fitsarana Miaramila : Antananarivo Renivohitra no hisantatra azy
Hanomboka ny 4 jolay izao ary haharitra efatra volana ny tetiandro hanatanterahana ny fitsarana miaramila amin’ity taona ity. Hisantatra izany ny ao Antananarivo Renivohitra.
« Hanomboka ny alatsinainy 4 jolay ho avy izao eny amin’ny Kianjan’ny Betongolo ny anjaran’Antananarivo Renivohitra ary aharitra iray volana. Voakasik’izany ireo tanora lahy sy vavy, 19 hatramin’ny 31 taona » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena. « Tsara raha tonga manatanteraka izany ny tanora rehetra. Adidy lehibe amin’ny tanindrazana io. Ilaina rahateo ny manana ny karatra maitso » hoy hatrany izy ireo.
Ny kara-panondrom-pirenena ihany no entina mandritra izany. Marihina fa tsy misy « duplicata » azo omena ny karatra maitso ka anjaran’ny tsirairay ny mitahiry izany.
Toky Randriamanalison
