Tsy fahandriam-pahalemana : Nodoran’ireo dahalo ny trano, nalainy ny omby
Tao amin’ny fokontany Talata Andranomanonga, kaominina Ambohimanambola, indray no nisehoana halatr’omby tamin’ny fomba ankolaka ny alin’ny talata 2 aogositra. Nodoran’ireo jiolahy ny trano iray tsy nisy nipetraka ary rehefa variana namonjy ilay trano may ilay fianakaviana no nanaraotra niditra nanakorontana sy nitady vola ireo mpangalatra. Taorian’izay no nangalaran’ireo olon-dratsy indray ny ombin’ity tokatrano ity; araka ny fitantaran’ilay niharan’ny fangalarana.
Marihina anefa fa rehefa natao ny filazana sy ny fikarohana ilay omby very dia efa voarasa ka ny taolan’ilay omby sisa no hita, raha ny fanazavana hatrany.
Nisesisesy, ary niseho tamin’ny fomba maro, ny karazana tsy fandriam-pahalemana tato ho ato, ho an’ny kaominina Ambohimanambola. Hanaovana antso avo ho an’ny manampahefana izany, hoy ireo mponina, noho izy ireo mandry tsy lavo loha amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
Manitra Ramanantsoa
