Brésil : Lehilahy « pédophile » iray no hita tamin’ny horonantsary nitaritarika zazavavy 12 taona tao anaty valizy
Lehilahy iray antsoina hoe Daniel Moraes Bittar, 42 taona no naka an-keriny zazavavy 12 taona avy nianatra. Raha ny fanazavana dia nisy vehivavy iray 22 taona atao hoe Gesielly Souza Vieira nanampy io lehilahy io tamin’izany. Ny tenany no nanao izay tsy nampatsiaro teny ilay zazavavy tamin’ny lamba kely nisy « chloroforme ».
Taorian’izany dia nafatotr’izy ireo ilay zazavavy ary nataony tao anaty valizy. Marihana fa nanatrika ny tranga ny naman’ilay zazavavy nalaina an-keriny ary niantso ny manam-pahefana avy hatrany. Manoloana ny tranga dia fanadihadiana sy fikaroana goavana no notontosain’ny manam-pahefana. Hita tao amin’ny tranon’i Daniel Moraes Bittar ilay zazavavy izay nifatotra, efa voaholana ary rakotra ratra.
Nilaza ilay zazavavy rehefa natao fanadihadiana fa nokasain’i Daniel Moraes Bittar natao « esclave sexuelle » ary naka horonantsary ny fanolanany azy. Nandà izany fiampangana azy izany ilay lehilahy saingy niaiky ihany taty aoriana. Fantatra kosa fa miasa ao amin’ny Banque de Brasilia io lehilahy io ary mpilatsaka an-tsitrapo any amin’ireo hopitalin’ankizy ireny. Heverina fa higadra 30 taona an-tranomaizina kosa ny tenany.
