SocialTatitra

Gaza : Zazavavikely iray niniana notifirina niaraka tamin’ny fianakaviany

Manameloka ny zava-nisy nataon’ireo tafika Israelianina, tamin’ny fitifirana ny fiara iray tao Gaza, ny sampana mpamonjy voina palestinianina. Antso voatahiry tao amin’ny fitaovana iray an’ny sampana mpamonjy voina, izay nataon’ny zazavavikely iray, Hind Rajab, 6 taona, no nahafahana namantatra ny zava-misy, teo aminy sy ireo fianakaviany. Ny 29 janoary, tany Tel-Al-Hawa, any atsimon’i Gaza, nikasa handeha andositra ny ady tany an-toerana ireto fianakaviana ireto no notifirin’ny tafika Israelianina, maty nandritra izany avokoa ireo olona manodidina ity zazavavikely ity. Taorian’izany, rehefa tsy afaka nanadalovana ny tanàna tao atsimon’i Gaza ity, dia niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny feon’ity zazavavy niantso sy nitalaho, ka nahatonga fisavorovoroana sy fikarohana azy. Rehefa niala tao an-toerana ireo miaramiala Israelianina, ka natao ny fikarohana azy, 12 andro taorian’izay, dia hita soa aman-tsara ity zazavavikely ity.

Laisser un commentaire