Masindray : Mitohy ny fampianarana baolina kitra
Mitohy hatrany ny fanazaran-tena sy ny fampianarana baolina kitra ao amin’ny Academy Buffalo Masindray. Sekoly iray fampianarana ny taranja baolina kitra ao Masindray izy ity, izay efa namoaka tanora maro.
« Tsy mifidy taona fa misy ny sokajin-taona rehetra ato amin’ny Buffalo Masindray. Efa misy kosa ny lamina ho amin’ny fitsinjarana ireo mpianatra amin’ny kianja maro. Miantso antsika tanora rehetra ho tonga hanao fanazaran-tena » hoy ny tompon’andraikitra. “Efa fotoanan’ny fialantsasatra isika. Fotoana indrindra hanaovan’ireo mpianatra hetsika hafa ankoatran’ny fianarana izany. Tsara raha fantarina aloha ny tiany atao » hoy i Hery, mpanabe.
Mitohy ny fanazaran-tena isaky ny alarobia sy ny zoma ao Ambohijanaka sy Masindray. Tsy vitsy ireo ankizy latsaky ny 8 taona tonga amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
