ActualitésTatitra

Comores : Mihamafy ny fifandraisana eo amin’ny nosy sy i Oman

Firenena iray ao Moyen Orient i Oman. Any amin’ny farany atsimo atsinanan’ny faritra Arabie no misy azy. Nisokatra 6 may teo tao amin’ny lapan’ny Hamramba, Moroni ny « symposium international Union des Comores – Sultanat d’Oman” izay naharitra roa andro. Lohahevitra nobanjinina tamin’izany ny fifandraisana sivilizasiona Omanaise-comorienne sy ny fahaiza-manaon’i Ahmed Bin Madjid (navigateur omanais).

Tanjon’io fifanakalozana io ny fampatsiahivana ny fifandraisana ara-kolontsaina sy ara-tsosialin’i Comores sy Oman ary ny fanamafisana ny fifandraisana ara-barotra. Nilaza i Djaanfar Salim Allaoui, sultanat d’Oman nandritra ny hestika fa efa nandritra ny taonjato maro i Oman no nitondra fanohanana ho an’i Comores manoloana ny fifanarahana indrindra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, angovo, fahasalamana. Nanamafy io tompon’andraikitra io fa misy ihany koa ny soatoavina izany mampandray ireo firenena roa ireo.

Laisser un commentaire