Mananjary : Malaza ho fady zaza kambana
Fomba iray tena mampiavaka ny foko Antambahoaka eto Madagasikara ny fanariana, na famonoana ny iray amin’ny zaza teraka kambana. Ny fiterahana kambana ho an’ny Antambahoaka avy ao Mananjary dia raisin’izy ireo ho fambara ratsy. Mbola mitoetra io fomba io hatramin’izao, ary tsy mbola nisy fanazavàna ara-tsiantifika nanaporofo izay tena antony maharatsy azy. Na ny fitondram-panjakàna aza tsy mbola nandray fepetra manoloana izany.
