Vakinankaratra : Nitrangana vono olona nahatsiravina tao Ambohitsimanova
Rehefa vanim-potoana lohataona toy izao dia manao ny Famadihan-drazana ireo olona any amin’iny faritr’i Vakinankaratra iny, indrindra any Antsirabe 2. Tamin’ny fotoana nanantaterahana izany indrindra no nitrangàna loza, famonona olona tamin’ny fomba nahatsiravina tao amin’ny fokontany Soavina Kaominina Ambohitsimanova izay mifanila amin’Ambohidranandriana. »Rehefa nisy ny fifamaliana izay tsy de mbola fantatra mazava izay tena antony dia nifamono ireto olona tao amin’ny tananàna antsoina hoe Antsahalava tato am-perin’ny famadihana ka nitarika hatrany- amin’ny fahafatesana izany, ilay lehilahy namoy ny ainy io dia avy any amin’ny distrikan’ny Marolambo ary nampijalian’ny ankilany izy ary rehefa avy eo dia novonoina ho faty mihitsy » hoy ny fitantaran’i Dafy, tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina ao an-toerana. »Ny zavatra mahagaga dia hoe fa angaha efa azo atao ny famadihana raha ho an’ ny faritra vakinankaratra manokana, raha tsiahivina mantsy isan’ireo faritra lasibatry ny covid izany faritra izany, misy tsy fandraisana andraikitra avy amin’ny tompon’andraikitra ny minisitera ao an-toerana izany ary ankoatry ny tranganà vono olona dia mbola hahitàna tranganà covid koa ao an-toerana ny farany, ny zavatra toy ireny koa tokony atrehin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny tanàna na fokontany foana satria tsy vao io no nisy tranga toy io fa efa matetika, misy aza afenipenina fotsiny ny sasany, ilaina fandraisana andraikitra avy aminareo mpitandro ny filaminana ny fiarovana ny ain’ny vahoaka » hoy i Santatra mponina ao main’ny faritra akaikin’ilay nitrangàn’ny loza. »Rehefa nandeha ny fikarohana dia nisy ireo olona noahiahiana ary efa notanana ety amin’ny tobi-paritry ny zandarimarian’Antsirabe izy ireo hatao famotorana satria nisy nilaza ho ahitàna porofo mihitsy fa ireo ilay namono ilay lehilahy » hoy ny mpitandro filaminana ao an-toerana.Rehefa natao ny fizahana ny faty dia hita fa « Nisy goaka tao amin’ny lohan’ilay maty ary feno ratra ny vatany, nisy mangàna teo amin’ny tongony ary nahitàna fahamaizana koa teo amin’ny taovam-pananahany, ka ireo no niteraka ny fahafatesany » hoy i Dokotera Hasy mpitsabo ao amin’ny hopitaly ao an-toerana.Mirongatra mihitsy ny famonoan’olona tato ho ato, indrindra tany amin’iny faritra vakinankaratra iny ihany, tamin’ity herinandro ity ihany zao vao tsy ela no nisehoana fifamonona namoizana ain’olona tao amin’ny kaominina Ambohidranandriana, ady mivady ka niafara tamin’ny famonona ho faty. Inty indray adiady kely no niatombohany ka niafara tamin’ny famonoana lehilahy iray ho faty. Ny famadihana mantsy dia fotoana natokana hihaonan’ny fianakaviana maromaro ary fifankafataran’ny taranaka, ankoatra ny famonosan-damba ny maty dia misy korana maromaro koa tanterahina amin’izany, ary matetika aza dia misy mandraindray ireny zava-pisotro misy alikaola ireny ka miteraka fahamamoana ka teo indrindra no niteraka ny olana.Efa tsy misy intsony ny fametrahana hasiny ny maha-olombelona, na biby aza tsy mifamono toy izany, na toy inona olana, tokony tsy ho tonga hatrany amin’ny famonoana olona amin’ny fomba fenpo habibiana toy izany mihitsy mihitsy. Rehefa tsy hay koa ny mamehy tena amin’ny fisotrona zava-pisotro misy alikaola dia aleo tonga dia tsy mikasika mihitsy, averina foana fa ny famonoana olona ho faty dia midika ho figadrana ho faty ary mety hitarika hatrany amin’ny fandoavana onitra aza. Angatahina koa ny tompon’andraikitra ny an-toerana mba hijery akaiky ny tranga toy izany ary hanao fanadihadiana lalina mba tsy hiverenany intsony.
Lovasoa Tojonirina
