14 jona : Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanome rà
Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenana ho an’ny Mpanome rà dia hisy ny hetsika firaisankiana rahampitso. Manoloana ny lapan’ny tanan’i Toamasina, Faritra Atsinanana no hanatanterahana ny fankalazana ofisialy izany. Hisy ny fijoroana vavolombelona sy fampirantiana samihafa mandritra izany.
