ActualitésTatitra

France : Frantsay voalohany nahazo ny « Balon d’or » hatramin’ny taona 1998 i Karim Benzema

Frantsay fahadimy ary voalohany taorian’ny taona 1998 nahazo ny « Balon d’or » i Karim Benzema (Real Madrid). Raha tsiahivina dia Zinedine Zidane no frantsay farany nahazo io mari-boninahitra ambonin’ny baolina kitra io teo alohany.

Nihoaran’i Karim Benzema avokoa ry Sadio Mané (Liverpool) sy ry Kevin De Bruyne (Manchester City) ary i Kylian Mbappé (PSG) izay tany amin’ny laharana faha-6. Marihana fa nahafaty baolina 15 io mpilalaon’ny Real Madrid 34 taona io nandritra « Ligue des champions 2021-2022 ». Cristiano Ronaldo irery ihany no efatra nihoatra io isa io, 17 tamin’ny taona 2013-2014 ary 16 tamin’ny taona 2015-2016.

Laisser un commentaire