Ambohimangakely : Tsara raha hanaovana foana ny aroloha
Nisehoana tranga lozam-pifamoivoizana teny By Pass Ambohimangakely ny 20 janoary lasa teo. Soa fa nisy aroloha niaro ilay mpitondra kodiaran-droa nandritra ny loza.
« Moto iray no nifandona tamin’ny fiara lehibe mpitondra entana. Nipitika tao ambanin’ny fiara ilay mpitondra moto sy ny moto. Ny aroloha nanaovany no nanavotra ny lohany tsy ho voahitsaka » hoy i Dera, mponina nanodidina ny toerana nitrangan’ny loza.
« Tsy filam-baniny sanatria no angatahanay aminareo ny tokony hanaovana aroloha. Tianay ianareo, ary hiaro anareo izahay. Mampatsiahy anareo lalandava ny tokony hitandremana ary mampihatra ny sazy ho an’ireo tsy manara-dalàna » hoy ny avy ao amin’ny mpitandro filaminana. « Misy antony matoa nasiana ny aroloha. Tsy tokony ho adino velively ny fanaovana izany ny mpitondra moto rehetra, eny fa ny olona entina aza » hoy i Harilanto, mpitondra moto. Tsy nisy aina nafoy nandritra ny loza raha nahitana faharatrana kosa ilay mpitondra moto.
Faritra saro-pady indrindra ny loha, tsara raha hanaovana foana ny aroloha.
Nicole Rafalimananjara
