Tsidika

Fitaterana andranomasina : Hamafisina ny fepetra hiarovana amin’ny fahasalamana.

Mpiasa tompon’ny fanalahidy amin’ny sehatry ny famatsiana entana manerantany ny Tantsambo. Ankoatra ny mpiasan’ny fadintseranana, anisan’ny manana asa lehibe eo amin’ny fitaterana entana eny andranomasina ihany koa izy ireo. Manampy azy ireo amin’ny fandraharahana eny amin’ny tontolon’ny seranan-tsambo ihany koa ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale na APMF. Anjara asan’izy ireo ny fampiharana ny politikampanjakana izay mifanaraka amin’ny paikadin’ny minisiteran’ny fitaterana momba ny seranan-tsambo ny ranomasina ary ny renirano. Mitohy hatrany araka izany ny fidiran’ny sambo vahiny mitondra entam-barotra avy any ivelany eto Madagasikara. Tsy mitsahatra ny manara-maso ny fidiran’izy ireny eto Madagasikara ihany koa ny APMF indrindra amin’izao fotoana fandalovan’ny valan’aretina eto amitsika izao. Tafiditra ao anatin’ny politikampanjakana araka izany ny fanamafisana ny fepetra sakana amin’ny Covid-19 eny antseranantsambo. Hamafisina ny fanaraha-maso ireo mpanamory tantsambo eo am-pahatongavana sy ny am-piaingana eto an-toerana. Manerana ny seranana andranomasina sy andranomamy rehetra no tokony hanaovana izany fanaraha-maso izany. Hita tokoa mantsy misy tsy azo antoka ny sambo mitondra entana miditra eto Madagasikara ka ilaina fitandremana izany mba hisorohana indray ny fisian’ny fiparitahan’ny valan’aretina. Tanjona ny handehanan’ny raharaha ara-barotra rehetra eto an-toerana sy ho fitsinjovana ireo misehatra amin’izany.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire