SocialTsidika

Mamelona olona maro ny lemak’i Mahavavy.

Any amin’ny faritra avaratra andrefan’ny Madagascar ao Diana no misy ny lemak’i Mahavavy. Voasokajy ho tontolo voaaro mirindra napetraky ny manam-pahefana Malagasy izy io. Maro ny vokatra azo avy amin’io lemaka io ao amin’ny faritra Diana, noho izy lehibe indrindra. Hanovana asa fanavaozana izy ankehitriny nohon’ny olona marobe mivelona amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny mifandray amin’izany. Marihina mantsy fa betsaka ireo tanimbary miankina tanteraka amin’ny lemaka toy izao. Tsiahivina fa manana velaran-tany hatramin’ny 18 000 ha azo trandrahina ny lemaky mahavavy. Tanjona ihany koa anefa ny hitomboan’ny vokatry ny fambolena izay mamelona tantsaha maro any an-toerana. Hiditra an-tsehatra hanampy manokana amin’ny fanajariana azy ny Fédération Environement Durable na ny FED. Vola mitentina 3,4 miliara Ariary no hoentina hanaovana ny asa fanatsarana. Anton’ny fanatsarana moa ny ahafahana manondraka velaran-tany 8600 ha ny lemaka ary ahazoan’ny orinasa mpamokatra siramamy iray any an-toerana mitrandraka velaran-tany 9 300 ha. Tombotsoa maro araka izany no ho azo rehefa vita ity toerana ity, ary hantenaina ny fiakaran’ny vokatry ny fambolena hatramin’ny taona 2025. Eo ny hahafahan’ny orinasa mivelona sy mandray mpiasa maro, fa manampy izany ihany koa ny fivahan’ny olana teknika amin’ny fanaparihana ny rano. Anisan’ny vokatra mampalaza ny faritra Diana moa ny fary. Hita ho mahatsara ny nofon-tany ny fanondrahana rano azo avy amin’ity lemaka ity amin’ny faritra manodidina.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire